Ny fanamby
Roa taona taorian'ny nidiran'ny TEM tao amin'ny taonjato faharoa nisy azy, safidy iray no nipoitra: mifantoka amin'ny dian'ny tanora tsirairay ny fandaharana.
Tsy skotisma vaovao no tadiavina fa Tily Tsara izay hita maso sy iainana isan'andro ny fivoarany. Fepetra roa no mitarika ny dingana: porofo mivaingana sy azo refesina, ary fahaizana ilaina amin'ny fiainana andavanandro.
Ny fomba fiasanay amin'ny dingana 5
- 1Mandrefy
Fanadihadiana: tanora 8 000 eo ho eo, mihoatra ny 50 % amin'ny mpikambana TEM.
- 2Mikendry
Mamaritra izay tokony ho tonga amin'ny tanora tsirairay: falifaly, mahatoky fotoana, mandray andraikitra.
- 3Miaina
Lasy nasionaly faha-90 taonan'ny Sampana Mavo sy Mena, nomanina 3 volana mialoha.
- 4Manaporofo
Fanarahana ny fahaleovan-tena, ny fifanampiana ary ny fanajana ny fotoana.
- 5Miaro
Fiarovana sy fanajana ny ankizy tsirairay — safidy tokana sy tsy miovaova.
Raikipohy ny Tily Tsara
Raha atao bango tokana: FIFANTOHANA MISIMISY KOKOA AMIN'NY BEAZINA no nanombohana izany taonjato faharoa izany. Ireto fanontaniana ireto no nitarika ny asa: Nofantarina araka izay azo atao ve ny zavatra tadiavina? — Aiza ho aiza ireo beazintsika? — Aiza no ampiasana ireo fahaizana sy fitondran-tena tsara noporofoina?
Ny Fiarovana ireo beazina amin'ny fandaharana azo antoka sy manaja azy dia safidy tsy azo ivalozana. Ny lasy fankalazana dia fotoana nanaporofoana izany: nafahana sy nalamina tsara isan'andro ny fiainana an-dasy.






